Silamo eto Madagasikara

Môske ao Antananarivo

Ny silamo eto Madagasikara dia anisan' ny fivavahan' ny vitsy anisa eto Madagasikara na dia efa nanomboka niorina tamin' ny taonjato faha-7[1]. Kristiana mantsy ny ankamaran' ny Malagasy. Nandray anjara tao amin' ny kolontsaina malagasy ankehitriny ny fivavahana silamo. Tsy fantatra marina ny tena isan' ny Mozilmana eto Madagasikara satria miova eo amin' ny 1 % sy 25 % amin' ny mponina izany[2][3]. Ny fikarohana nataon' ny Pew Research Center tamin' ny taona 2010 dia manambara fa ny 1,1 %n' ny mponina eto Madagasikara dia Mozilmana[4]. 7 % kosa izany araka ny The World Factbook - Madagascar[5]. Tamin' ny taona 2020 dia eo anelanelan' ny 10 % sy 13 % amin' ny mponin' i Madagasikara no Mozilmana. Noho ny maha laîka ny lalàm-panorenan' i Madagasikara dia malalaka ny mpino silamo amin' ny asa fitoriana sy fananganana toeram-pivavahana eto amin' ny Nosy. Ny ankamaroan' ny Mozilmana eto Madagasikara dia manaraka ny finoana silamo sonita avy amin' ny sekoly Shafý[1], niaraka tamina mpino Ahmadý vitsy nanorim-ponenana tamin' ny taompolo 1980[6] izay enjehin' ny Sonita fondamentalista sy ny Siita[7].

  1. 1,0 et 1,1 "Madagascar". United States Department of State. Notsidihina tamin' ny 19 Ôktôbra 2022.
  2. "National Profiles", thearda.com
  3. "Religious Beliefs In Madagascar". WorldAtlas. Asiva tamin' ny16 Aogositra 2021. Notsidihina tamin' ny 16 Aogositra 2021.
  4. The Future of the Global Muslim Population - Madagascar [tahiry]
  5. The World Factbook - Madagascar Archived Aogositra 17, 2011 at the Wayback Machine
  6. Ahmadiyya Muslim Mosques around the world. p. 76.
  7. http://shiawaves.com/english/world/3651-shia-rights-watch-sectarian-crimes-against-shia-merchants-in-madagascar

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search